Acts 11

1Ary ireo apostoly sy ireo rahalahy izay tany Jodia nahare fa ireo Jentilisa ihany koa dia nandray ny Tenin’Andriamanitra. 2Rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, ireo izay tao amin’ny antokon’ireo voafora dia nanakiana azy; 3hoy izy ireo hoe: “Ianao nikambana niaraka tamin’ireo lehilahy tsy voafora sady nisakafo niaraka tamin’izy ireo!”

4Fa Petera nanomboka nanazava ny zava-nitranga tamin’izy ireo tamin’ny antsipirihiny; hoy izy hoe: 5“Nivavaka tany amin’ny tanànan’ny Jopa aho, ary nahita fahitana ny amin’ny fisian-javatra iray izay nidina, tahaka ny lamba lehibe nahidina avy any an-danitra tamin’ireo zorony efatra aho. Nidina teo amiko izany. 6Nibanjina izany aho ary nisaintsaina momba izany. Nahita ireo biby manan-tongotra efatry ny tany, ireo biby dia, ireo biby mandady, ary ireo vorona eny amin’ny lanitra aho.

7Avy eo aho dia nahare feo niteny tamiko hoe: “Mitsangàna, ry Petera; mamono ary mihinàna.” 8Hoy aho hoe: “Tsia, ry Tompo; fa tsy mbola nisy zavatra tsy masina na maloto mihitsy niditra tato am-bavako.” 9Fa ilay feo namaly avy any an-danitra indray hoe: “Izay nambaran’Andriamanitra fa madio, aza antsoina hoe maloto.” 10Niseho in-telo izany, ary avy eo dia nalaina niverina niakatra tany an-danitra indray ny zavatra rehetra

11Indro, teo no ho eo dia nisy telo lahy nitsangana teo anoloan’ny trano izay nisy anay; nalefa avy tany Kaisaria nankaty amiko izy ireo. 12Ny Fanahy dia nandidy ahy hiaraka amin’izy ireo, ary tsy tokony hanisy fizahan-tava amin’izy ireo aho. Ireo rahalahy enina ireo dia nandeha niaraka tamiko, ary nandeha nankao an-tranon’ilay lehilahy izahay. 13Izy niteny taminay ny nahitany anjely iray nitsangana tao an-tranony ary niteny hoe: “Maniraha lehilahy any Jopa ary ento miverina i Simona izay antsoina hoe Petera. 14Izy dia hilaza hafatra iray aminao izay havoavonjy anao - ianao sy ny ankohonanao rehetra.”

15Raha vao nanomboka niteny tamin’izy ireo aho, ny Fanahy Masina dia tonga tamin’izy ireo, tahaka ny nidinany taminay tany am-boalohany. 16Tsaroako ny tenin’ny Tompo, ny nitenenany hoe: “Jaona nanao batisa tamin’ny rano tokoa; fa ianareo dia mila hatao batisa ao amin’ny Fanahy Masina.”

17Koa raha Andriamanitra nanome azy ireo ny fanomezana mitovy amin’izay nomeny antsika tamin’isika nino an’ny Tompo Jesosy Kristy, iza aho, no ho afaka hanohitra an’Andriamanitra?” 18Rehefa henon’izy ireo izany zavatra izany, tsy niteny na inona na inona hoenti-mamaly izy ireo, fa nidera an’Andriamanitra kosa izy ireo ary niteny hoe: “Ary Andriamanitra nanome fibebahana ho fiainana ho an’ireo jentilisa ihany koa.”

19Ary ireo izay naparitaka noho ny fanenjehana izay niatomboka tamin’ny fahafatesan’i Stefana dia niely lavitra tany Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa izy ireo dia nilaza ny hafatra momba an’i Jesosy tamin’ireo Jiosy irery ihany. 20Fa ny sasany tamin’izy ireo, ireo lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena, dia nandeha tany Antioka ary niresaka tamin’ireo Grika ihany koa, nilaza tamin’izy ireo ny filazantsara momba ny Tompo Jesosy. 21Ny tanan’ny Tompo dia niaraka tamin’izy ireo; maro isa no nino ary nitodika tamin’ny Tompo.

22Ireo vaovao momba azy ireo dia tonga teny an-tsofin’ny fiangonana tao Jerosalema, ary izy ireo naniraka an’i Barnabasy hatrany Antioka. 23Rehefa tonga izy ka nahita ny fanomezan’Andriamanitra, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy rehetra mba hitoetra miaraka amin’ny Tompo amin’ny fon’izy ireo rehetra. 24Satria izy dia lehilahy tsara sady feno ny Fanahy masina sy finoana, ary olona maro no niampy ho an’ny Tompo.

25Dia nandeha nankany Tarsosy i Barnabasy mba hitady an’i Saoly. 26Rehefa hitany izy, dia nentiny tany Antioka. Ary nandritry ny herintaona maninjitra izy ireo dia niara-niangona niaraka tamin’ny fiangonana ary nampianatra olona maro. Ireo mpianatra dia nantsoina voalohany hoe kristiana tao Antioka.

27Ary tamin’izany andro izany dia nisy mpaminany maromaro nidina avy tany Jerosalema nankany Antioka. 28Iray tamin’izy ireo, i Agabo no iantsoana azy, nitsangana ary notoroin’ny Fanahy fa hisy mosary lehibe hitranga manerana izao tontolo izao. Nitranga izany tamin’ny andron’i Klaodio.

29Noho izany, ireo mpianatra, araka ny fahafahan’ny tsirairay avy, dia nanapa-kevitra ny handefa fanampiana ho an’ireo rahalahy tany Jodia. Nanao izany izy ireo; nandefa vola ho an’ireo loholona izy ireo tamin’ny tanan’i Barnabasy sy Saoly.

30

Copyright information for PltULB